Categories:

Ny Sihanaka izay midika hoe “olon’ny farihy” dia monina any amin’ny faritry ny farihin’ Alaotra izay mpamokatra vary be indrindra eto Madagasikara. Ny tantara/angano dia milaza ny fipetrahan’ny Vazimba teratany tamin’io faritra io. Mpanarato sy mpamboly vary ny ankamaron’ny Sihanaka ary izy ireo dia malaza amin’ny fanamboarana harona tsara tarehy sady mafy. Miavaka ny fasan’ny Sihanaka noho izy ahitana jiro na tsatokazo solon-tsangambato ho fahatsiarovana (izay misy zorony maranitra roa ary mety mahatratra hatramin’ny 10 metatra ny haavony). Ny mponina any amin’io faritra io ankehitriny dia ireo Sihanaka izay efa teo hatrany amboalohany sy ireo mpifindra monina Merina.

Nangonin’i #LCC_Madagascar
Allen & Covell (2005). Historical dictionary of Madagascar
Fort-dauphin point org
dika teny malalaka: LCC Madagascar

Follow the discussion on Facebook: https://www.facebook.com/lccmadagascar/photos/3939757932707113

Comments are closed

Recent Comments

No comments to show.

© 2016-2024 Language and Culture Center - Madagascar.