Categories:

Azo faritana ao anatin’ireto zavatra dimy manaraka ireto ny mampiavaka ny Sakalava.
1) Ny fiteniny: ny fampitahana rakibolana sy voambolana teo anelanelan’ny 1850 sy 1945 dia naneho fa ny teny Sakalava no misy ny teny Swahili sy teny Bantu hafa betsaka indrindra manerana ny nosy.
2) Ny fitampoha: ny razamben’ny mpanjaka dia antsoina hoe ‘dady’ izay midika hoe raibe, na koa hoe ‘ampagnito be’ satria razamben’ny mpanjaka izy. Ny fitampoha dia fampandroana sy fanompoana ny ‘dady’ izay mbola fanao mandrak’androany.
3) Ho an’ny Sakalava dia zava-dehibe ny tromba (fitoeran’ny fanahy ao amin’olona iray) ampahibemaso satria fanehoan’ny mpanjaka ny sitrapony amin’ny alàlan’ny mpanelanelana voatendriny. Ny tromba sy ny dady dia nifamatotra akaiky tamin’ny tantaran’ny ‘Maroserana’.
4) Ny ‘Maroserana’ na ‘Maroseranana’ dia ireo taranaka nanorina ny fanjakana Sakalava nipoiran’ny fanjakana Sakalava Menabe sy Boina, izay nifehy ny faritra andrefan’i Madagasikara tamin’ny taonjato faha 18.
5) Ny tantarany: ny fifandraisan’ireo efatra voalaza eo ambony ireo no mandrafitra ny tantaran’ny Sakalava izay anisan’ny mampiavaka azy.

Nangonin’i #LCC_Madagascar
Kent Raymond K. (1968). Madagascar and Africa: II. The Sakalava, Maroserana, Dady and Tromba before 1700.
Dika teny malalaka: LCC Madagascar

Follow the discussion on Facebook: https://www.facebook.com/lccmadagascar/photos/3910344215648485

Comments are closed

Recent Comments

No comments to show.

© 2016-2024 Language and Culture Center - Madagascar.