Categories:

Ny rafi-piarahamonina Merina nentim-paharazana dia nifototra tamin’ny fivondronana fianakaviana sy tanàna. Nampiavaka azy ireo ny tsy fanambadiana olon-kafa ivelan’io rafitra io ary fomba fanaony ny fanambadiana amboarina izay mbola misy manaraka ankehitriny. Manan-danja lavitra ho azy ireo ny tanindrazany mihoatra noho ny tanàna onenany raha lasa lavitra izy ka lasa “vahiny” ary tsy misitraka ny zo ananan’ny tompon-tany. Ho an’ny Merina dia ny fasana ao an-tanindrazana no rafitra mafy orina sy tsara indrindra atsangany ary tsy azo esorina aminy izany fasana izany na oviana na oviana. Ho azy ireo, ny fandaniana lehibe atao amin’ny fananganana fasana dia fanehoana indrindra fa tiana sy mamy ny tanindrazana.

Nangonin’i #LCC_Madagascar
Bloch (1968) Tombs and conservatism among the Merina of Madagascar
dika teny malalaka: LCC Madagascar

Folow the discussion on Facebook: https://www.facebook.com/lccmadagascar/photos/4020894014593504

Tags:

Comments are closed

Recent Comments

No comments to show.

© 2016-2024 Language and Culture Center - Madagascar.