Categories:

Ny Bezanozano dia midika hoe “ireo maro randrana kely” araka ny endriky ny volony. Ao amin’ny faritr’i Moramanga any amin’ny tany lemaka manodidina ny renirano Mangoro no toerana misy azy ireo. Fahiny dia nanorina tanàna mimanda teny antampo-kavoana izy ireo mba hiarovany tena amin’ny fahavalo. Araka ny tantara dia nampisahanina manontolo ny fitaterana entana avy any amin’ny morontsiraka atsinanana mankany Antananarivo izy ireo ary matanjaka indrindra satria dia natao tao andamosin’ny vatan-dehilahy ny entana ary lalana tena sarotra no nitondrana izany. Avy amin’ny Bezanozano ihany koa no nihavian’ny tsatokazo ahitana lohan’omby izay natsangana ho fahatsiarovana tranga iray na ho fisaorana noho ny fahatanterahan’ny faniriana.

Nangonin’i #LCC_Madagascar
Fort-dauphin point org
Dika teny malalaka: LCC Madagascar

Follow the discussion on Facebook: https://www.facebook.com/lccmadagascar/photos/3994885933860979

Comments are closed

Recent Comments

No comments to show.

© 2016-2024 Language and Culture Center - Madagascar.