Categories:

Ny Betsimisaraka dia monina any amin’ny morontsiraka atsinanan’ny nosy miala avy any Sambava any avaratra ka hatrany Mananjary any atsimo. Na dia lazaina aza hoe “be tsy misaraka” izy ireo dia ahitana vondrona maro samihafa ao aminy. Tamin’ny taonjato faha-18 dia nivondrona tao anatin’ny kaonfederasiona Betsimisaraka eo ambany fitarihan’ny Zanamalata (taranak’ireo piraty sy malagasy tany amin’ny faritra avaratra-atsinanana) ny Betsimisaraka avaratra. Ny fisian’ny Pangalana dia nitarika ny mponina hampivelatra ny voly fanondrana toy ny kafe, dipoavatra, jirofo sy lavanila. Ny tranon’izy ireo dia vita amin’ny zavamaniry: ny vatan’ny ravilana dia ampiasaina amin’ny fanamboarana ny rindrina ary ny raviny kosa dia ampiasaina amin’ny tafo.

Nangonin’i #LCC_Madagascar
Allen & Covell (2005). Historical dictionary of Madagascar
dika teny malalaka: LCC Madagascar

Follow the discussion on Facebook: https://www.facebook.com/lccmadagascar/photos/3926520570697516

Comments are closed

Recent Comments

No comments to show.

© 2016-2024 Language and Culture Center - Madagascar.