Categories:

Ny hoe Betsileo dia midika hoe “ireo maro be tsy mety resena”. Izy ireo dia monina any amin’ny faritra Fianarantsoa sy ny manondidina. Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha 17 sy faha 18 tany dia fanjakana maromaro no nanjaka tao amin’iny faritra misy ny Betsileo iny, ao anatin’izany Isandra tany andrefana ary Lalaingina tany atsinanana. Ankehitriny, ny toekaren’izy ireo dia miankina amin’ny fambolem-bary ary malaza amin’ ny fahafehezany izany izy ireo. Mirehareha amin’ny fananany mozika miavaka izay nolovainy tamin’ny razana izy ireo ary manana mpanao asa tanana isan’ny mahay indrindra eto amin’ny nosy. Matetika izy ireo dia hita ao amin’ny sehatra fitantanana ary eo amin’ny sehatra politika dia ahitana olo-malaza ihany koa.

Nangonin’i #LCC_Madagascar
Allen & Covell (2005) Historical dictionary of Madagascar
dika teny malalaka: LCC Madagascar

Follow the discussion on Facebook: https://www.facebook.com/lccmadagascar/photos/4064298093586429

Comments are closed

Recent Comments

No comments to show.

© 2016-2024 Language and Culture Center - Madagascar.