Categories:

Ny Antemoro dia midika hoe “Ireo eny amorontsiraka”. 𝐀𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐨𝐫𝐨𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐚𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐨 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐳𝐲. Voalaza fa arabo ny razambeny ary ny Antemoro dia anisan’ireo manana ny sorabe, lahatsoratra malagasy mirakitra tantara sy fomban-drazana nosoratana tamin’ny tarehintsoratra arabo. Voalaza ihany koa fa ny ankamaroan’ny ombiasy dia Antemoro. Ny Antemoro dia malaza amin’ny fanamboarana ny “papier Antemoro”, taratasy vita avy amin’ny hoditry ny hazo antsoina hoe avoha izay ampihaingoana amin’ny voninkazo maina matetika.

Nangonin’i #LCC_Madagascar
Allen & Covell (2005). Historical dictionary of Madagascar, Fort-dauphin point org
Dika teny malalaka: LCC Madagascar

Follow the discussion on Facebook: https://www.facebook.com/lccmadagascar/photos/4283973131618923

Comments are closed

Recent Comments

No comments to show.

© 2016-2024 Language and Culture Center - Madagascar.