Categories:

Ny hoe Antambahoaka dia midika hoe “an’ny vahoaka”. Monina any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana any amin’ny faritry Mananjary izy ireo ary voalaza fa tonga teto Madagasikara teo anelanelan’ny taonjato faha 10 sy taonjato faha 12 avy any Mekka. Maro ny milaza fa Zafiraminia (taranak’i Raminia), voalaza fa silamo nanorim-ponenana tany amin’ny faritra atsinanan’ny nosy izy ireo, ary ahitana soritry ny finoana silamo ny fomban-drazany. Anisan’ny andro lehibe ho azy ireo ny fankalazana ny sambatra (famorana faobe) izay maharitra andro maromaro ary mifanakaiky kokoa amin’ny fomba arabo. Misongadina amin’ny famokarana kafe izy ireo, ary voalaza fa anisan’ireo mitahiry ny fampiasana ny sorabe.

Nangononin’i #LCC_Madagascar
Allen, Philip M, and Maureen Covell. 2005. Historical Dictionary of Madagascar.
Razafitsaroana, Robert, and PH Dubois. 1927. “Le” Sambatra” Ou La Circoncision Chez Les Antambahoaka. Tribu de La Côte Est de Madagascar (Mananjary).” Anthropos. No. H. 5./6pp. 747–64.
Dika teny malalaka: LCC Madagascar

Follow the discussion on Facebook: https://www.facebook.com/lccmadagascar/photos/4216587485024155

Comments are closed

Recent Comments

No comments to show.

© 2016-2024 Language and Culture Center - Madagascar.